Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Vaovao
Ny Epistilin'i Paoly · boky faha-54 amin'ny 661 Timoty
Ny hafatr'i Paoly ho an'i Timoty mpiara-miasa taminy momba ny fitantanana ny fiangonana: ny mpitandrina sy ny diakona, ny fanompoam-pivavahana, ny mpampianatra sandoka, ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fianinana. «Tonga tetỳ ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota.»
Ny andininy voalohany
1 Timoty 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- 1 Tim 1:1
Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
- 1 Tim 1:2
mamangy an’ i Timoty, tena zanako amin’ ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
- 1 Tim 1:3
Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
- 1 Tim 1:4
na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’ Andriamanitra amin’ ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
- 1 Tim 1:5
Fa ny anton’ ny didy dia fitiavana avy amin’ ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
1 Timoty: toko 6
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny 1 Timoty dia boky faha-54 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 6, andininy 113, soratra fananan'ny besinimaro.