Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Vaovao
Ny Apokalypsy · boky faha-66 amin'ny 66Apokalypsy
Ny fanambaran'i Jesosy Kristy tamin'i Jaona tao amin'ny nosy Patmo: ny taratasy ho an'ny fiangonana fito, ny seza fiandrianana any an-danitra, ny Zanak'ondry, ny fitsarana, ny fianjeran'i Babylona, ary ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra.
Ny andininy voalohany
Apokalypsy 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- Apo 1:1
Ny Fanambaran’ i Jesosy Kristy, izay nomen’ Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’ i Jaona mpanompony,
- Apo 1:2
Izay nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
- Apo 1:3
Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
- Apo 1:4
Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ ny Fanahy fito izay eo anoloan’ ny seza fiandrianany;
- Apo 1:5
ary avy amin’ i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ ny maty ary Lehiben’ ny mpanjaka amin’ ny tany. Ho an’ izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny ràny,
Apokalypsy: toko 22
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Apokalypsy dia boky faha-66 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 22, andininy 404, soratra fananan'ny besinimaro.