Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Taloha

Ny Pentateoka · boky faha-3 amin'ny 66

Levitikosy

Ny lalàna momba ny fanatitra, ny fisoronana, ny fahadiovana ary ny andro firavoravoan'ny Isiraely. Ny hafatra fototra: masina Jehovah, ary ny olony dia antsoina ho masina sy hanatona Azy amin'ny alalan'ny fanatitra.

27toko
859andininy
Levfanafohezana
TTTestamenta Taloha

Ny andininy voalohany

Levitikosy 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.

  1. Lev 1:1

    Ary Jehovah niantso an’ i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ ny trano-lay fihaonana hoe:

  2. Lev 1:2

    Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.

  3. Lev 1:3

    Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.

  4. Lev 1:4

    Ary hametraka ny tànany eo amin’ ny lohan’ ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.

  5. Lev 1:5

    Dia hamono ny zanak’ omby eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;

Levitikosy: toko 27

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Levitikosy dia boky faha-3 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 27, andininy 859, soratra fananan'ny besinimaro.