Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Taloha
Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · boky faha-21 amin'ny 66Mpitoriteny
Ny Mpitoriteny mitady ny hevitry ny fiainana «atỳ ambanin'ny masoandro» ka mahita fa zava-poana ny zavatra rehetra raha tsy misy an'Andriamanitra. «Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany.» Ny faran'ny teny: matahora an'Andriamanitra, ka tandremo ny didiny.
Ny andininy voalohany
Mpitoriteny 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- Mpitor 1:1
Ny tenin’ i Mpitoriteny, zanak’ i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
- Mpitor 1:2
Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
- Mpitor 1:3
Inona no soa azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ ny masoandro?
- Mpitor 1:4
Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
- Mpitor 1:5
Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin’ ny fitoerana izay niposahany.
Mpitoriteny: toko 12
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Mpitoriteny dia boky faha-21 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 12, andininy 222, soratra fananan'ny besinimaro.