Fandraisana · Ny boky 66 · 1 Tantara
Testamenta Taloha · Ny Boky Ara-tantara · toko 3 amin'ny 291 Tantara 3
1 Tantara 3, Baiboly (1865): toko feno, andininy 24, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
1 Tantara 3 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 24. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- 1 Tan 3:1
Ary izao no zanakalahin’ i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak’ i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;
- 1 Tan 3:2
Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak’ i Hagita, no fahefatra;
- 1 Tan 3:3
Sefatia, zanak’ i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak’ i Egla vadiny, no fahenina.
- 1 Tan 3:4
Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.
- 1 Tan 3:5
Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak’ i Batsoa, zanakavavin’ i Amiela)
- 1 Tan 3:6
sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta
- 1 Tan 3:7
sy Noga sy Nafega sy Jafia
- 1 Tan 3:8
sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
- 1 Tan 3:9
Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin’ ireo.
- 1 Tan 3:10
Ary ny zanakalahin’ i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin’ i Abia, Josafata no zanakalahin’ i Asa,
- 1 Tan 3:11
Jehorama no zanakalahin’ i Josafata, Ahazia no zanakalahin’ i Jehorama. Joasy no zanakalahin’ i Ahazia,
- 1 Tan 3:12
Amazia no zanakalahin’ i Joasy, Azaria no zanakalahin’ Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,
- 1 Tan 3:13
Ahaza no zanakalahin’ i Jotama Hezekia no zanakalahin’ i Ahaza, Manase no zanakalahin’ i Hezetia,
- 1 Tan 3:14
Amona no zanakalahin’ i Manase, Josia no zanakalahin’ i Amona.
- 1 Tan 3:15
Ary izao no zanakalahin’ i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.
- 1 Tan 3:16
Ary ny zanakalahin’ i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’ i Jekonia.
- 1 Tan 3:17
Ary ny zanakalahin’ Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak’ i Asira,
- 1 Tan 3:18
ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.
- 1 Tan 3:19
Ary ny zanakalahin’ i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin’ i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny,
- 1 Tan 3:20
ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.
- 1 Tan 3:21
Ary ny zanakalahin’ i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin’ i Rafaia sy ny zanakalahin’ i Arnana sy ny zanakalahin’ i Obadia ary ny zanakalahin’ i Sekania.
- 1 Tan 3:22
Ary ny zanakalahin’ i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin’ i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy.
- 1 Tan 3:23
Ary ny zanakalahin’ i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.
- 1 Tan 3:24
Ary ny zanakalahin’ i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.
1 Tantara: toko 29
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny 1 Tantara 3 dia iray amin'ny toko 29 ao amin'ny bokin'ny 1 Tantara, boky faha-13 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.