Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Taloha
Ny Mpaminany Lehibe · boky faha-27 amin'ny 66Daniela
Daniela sy ny namany tao an-dapan'i Babylona: ny lafaoro mirehitra afo, ny lavaky ny liona, ny soratra teo amin'ny rindrina, ary ny fahitana momba ny fanjakan'izao tontolo izao sy ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay.
Ny andininy voalohany
Daniela 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- Dan 1:1
Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, no nankanesan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
- Dan 1:2
Ary ny Tompo nanolotra an’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny fanaka sasany tao an-tranon’ Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin’ ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’ andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ ny trano firaketan’ andriamaniny.
- Dan 1:3
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Aspenaza, lehiben’ ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely, dia amin’ ny zanak’ andriana na amin’ ny ambony firazanana,
- Dan 1:4
dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ ny Kaldeana.
- Dan 1:5
Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ ireo isan’ andro avy tamin’ ny haniny sy avy tamin’ ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ ny mpanjaka izy.
Daniela: toko 12
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Daniela dia boky faha-27 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 12, andininy 357, soratra fananan'ny besinimaro.