Fandraisana · Ny boky 66 · Daniela
Testamenta Taloha · Ny Mpaminany Lehibe · toko 10 amin'ny 12Daniela 10
Daniela 10, Baiboly (1865): toko feno, andininy 21, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Daniela 10 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 21. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Dan 10:1
Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia nisy nambara tamin’ i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
- Dan 10:2
Tamin’ izany andro izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka.
- Dan 10:3
Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
- Dan 10:4
Ary tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana voalohany, raha teo amoron’ ny ony lehibe aho (Hidekela izany),
- Dan 10:5
dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;
- Dan 10:6
tahaka ny krysolita ny tenany, ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon’ olona maro be;
- Dan 10:7
ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.
- Dan 10:8
Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko.
- Dan 10:9
Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ ny tany.
- Dan 10:10
Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.
- Dan 10:11
Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
- Dan 10:12
Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin’ ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’ Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
- Dan 10:13
Fa ilay andrianan’ ny fanjakan’ i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin’ ireo andriana lehibe, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin’ ny mpanjakan’ i Persia.
- Dan 10:14
Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin’ izany andro izany ny fahitana.
- Dan 10:15
Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin’ ny tany aho sady tsy nahateny.
- Dan 10:16
Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak’ olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin’ ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon’ ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
- Dan 10:17
Fa aiza no ahazoan’ ity izaho mpanompon’ ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin’ izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.
- Dan 10:18
Ary nisy indray nanana endrik’ olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
- Dan 10:19
ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
- Dan 10:20
Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ ny andrianan’ i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan’ i Grisia.
- Dan 10:21
Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin’ ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikìna amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.
Daniela: toko 12
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Daniela 10 dia iray amin'ny toko 12 ao amin'ny bokin'ny Daniela, boky faha-27 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.