Fandraisana · Ny boky 66 · Eksodosy

Testamenta Taloha · Ny Pentateoka · toko 23 amin'ny 40

Eksodosy 23

Eksodosy 23, Baiboly (1865): toko feno, andininy 33, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

33andininy
23 / 40toko
Eks 23fanondroana
TTTestamenta Taloha

Eksodosy 23 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 33. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Eks 23:1

    Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.

  2. Eks 23:2

    Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ ny adin’ olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.

  3. Eks 23:3

    Aza mandravaka ny tenin’ ny malahelo eo amin’ ny fandaharan-teniny ianao.

  4. Eks 23:4

    Raha hitanao mania ny ombin’ ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.

  5. Eks 23:5

    Raha hitanao ny borikin’ izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.

  6. Eks 23:6

    Aza mamily ny rariny izay ananan’ ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.

  7. Eks 23:7

    Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.

  8. Eks 23:8

    Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ ny marina.

  9. Eks 23:9

    Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon’ ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.

  10. Eks 23:10

    Ary enin-taona no hamafazanao amin’ ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;

  11. Eks 23:11

    fa amin’ ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ ny malahelo amin’ ny firenenao; ary izay sisan’ ireo dia mba hohanin’ ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ ny tanim-boalobokao sy amin’ ny tanin’ olivanao.

  12. Eks 23:12

    Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan’ ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.

  13. Eks 23:13

    Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran’ andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ ny vavanao izany.

  14. Eks 23:14

    Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.

  15. Eks 23:15

    Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.

  16. Eks 23:16

    Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.

  17. Eks 23:17

    Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’ i Jehovah Tompo.

  18. Eks 23:18

    Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ ny zavatra vonoina amin’ ny andro firavoravoana ho Ahy.

  19. Eks 23:19

    Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.

  20. Eks 23:20

    Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko.

  21. Eks 23:21

    Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.

  22. Eks 23:22

    Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ ny fahavalonao sy ho rafin’ ny rafinao Aho.

  23. Eks 23:23

    Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,

  24. Eks 23:24

    Aza miankohoka eo anatrehan’ ny andriamanitr’ ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.

  25. Eks 23:25

    Fa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

  26. Eks 23:26

    Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ ny taninao; hotanterahiko ny isan’ ny andronao.

  27. Eks 23:27

    Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.

  28. Eks 23:28

    Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.

  29. Eks 23:29

    Tsy handroaka azy eo alohanao amin’ ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.

  30. Eks 23:30

    Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.

  31. Eks 23:31

    Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.

  32. Eks 23:32

    Aza manao fanekena aminy na amin’ ny andriamaniny ianao.

  33. Eks 23:33

    Tsy honina eo amin’ ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,

Eksodosy: toko 40

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Eksodosy 23 dia iray amin'ny toko 40 ao amin'ny bokin'ny Eksodosy, boky faha-2 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.