Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Taloha

Ny Pentateoka · boky faha-1 amin'ny 66

Genesisy

Ny boky voalohan'ny Baiboly: ny namoronana ny lanitra sy ny tany, i Adama sy Eva, ny safo-drano tamin'ny andron'i Noa, ary ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary Josefa. Eto no miantomboka ny tantaran'ny Isiraely sy ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny olombelona.

50toko
1.533andininy
Genfanafohezana
TTTestamenta Taloha

Ny andininy voalohany

Genesisy 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.

  1. Gen 1:1

    Tamin’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.

  2. Gen 1:2

    Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ ny lalina. Ary ny fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ ny rano.

  3. Gen 1:3

    Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.

  4. Gen 1:4

    Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin’ Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.

  5. Gen 1:5

    Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.

Genesisy: toko 50

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Genesisy dia boky faha-1 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 50, andininy 1.533, soratra fananan'ny besinimaro.