Fandraisana · Ny boky 66 · Genesisy

Testamenta Taloha · Ny Pentateoka · toko 49 amin'ny 50

Genesisy 49

Genesisy 49, Baiboly (1865): toko feno, andininy 33, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

33andininy
49 / 50toko
Gen 49fanondroana
TTTestamenta Taloha

Genesisy 49 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 33. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Gen 49:1

    Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.

  2. Gen 49:2

    Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’ i Jakoba, eny, mihainoa an’ Isiraely rainareo:

  3. Gen 49:3

    Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.

  4. Gen 49:4

    Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin’ ny fandrian’ ny rainao ianao, tamin’ izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!

  5. Gen 49:5

    SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;

  6. Gen 49:6

    Aza mankeo amin’ izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin’ ny fiangonany, ry fanahiko; fa tamin’ ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin’ ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.

  7. Gen 49:7

    Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin’ i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin’ Isiraely.

  8. Gen 49:8

    Ry JODA, hoderain’ ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ ny vozon’ ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.

  9. Gen 49:9

    Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!

  10. Gen 49:10

    Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.

  11. Gen 49:11

    Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin’ ny divay izy, ary ny akanjony tamin’ ny ram-boaloboka.

  12. Gen 49:12

    Mangamanga ny masony azon’ ny divay ary fotsy ny nifiny azon’ ny ronono.

  13. Gen 49:13

    ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin’ i Sidona.

  14. Gen 49:14

    ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan’ ny vala;

  15. Gen 49:15

    Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.

  16. Gen 49:16

    DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin’ ny firenen’ ny Isiraely.

  17. Gen 49:17

    Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin’ ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.

  18. Gen 49:18

    Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!

  19. Gen 49:19

    GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.

  20. Gen 49:20

    ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian’ ny hanim-pin’ andriana.

  21. Gen 49:21

    NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.

  22. Gen 49:22

    JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.

  23. Gen 49:23

    Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;

  24. Gen 49:24

    Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin’ ny tànan’ Ilay Maherin’ i Jakoba, dia avy ao amin’ ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ ny Isiraely,

  25. Gen 49:25

    Avy amin’ ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin’ ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin’ ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ ny nono sy ny kibo.

  26. Gen 49:26

    Ny tso-dranon’ ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’ i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.

  27. Gen 49:27

    BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.

  28. Gen 49:28

    Ireo rehetra ireo no firenen’ ny Isiraely roa ambin’ ny folo; ary izany no nolazain’ ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.

  29. Gen 49:29

    Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin’ ny razako; aleveno ao amin’ ny razako aho, dia ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny sahan’ i Efrona Hetita,

  30. Gen 49:30

    ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny saha Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, any amin’ ny tany Kanana, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.

  31. Gen 49:31

    Tao no nandevenany an’ i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an’ Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an’ i Lea,

  32. Gen 49:32

    ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin’ ny taranak’ i Heta.

  33. Gen 49:33

    Ary rehefa vitan’ i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin’ ny razany.

Genesisy: toko 50

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Genesisy 49 dia iray amin'ny toko 50 ao amin'ny bokin'ny Genesisy, boky faha-1 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.