Fandraisana · Ny boky 66 · Isaia

Testamenta Taloha · Ny Mpaminany Lehibe · toko 12 amin'ny 66

Isaia 12

Isaia 12, Baiboly (1865): toko feno, andininy 6, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

6andininy
12 / 66toko
Isa 12fanondroana
TTTestamenta Taloha

Isaia 12 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 6. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Isa 12:1

    Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.

  2. Isa 12:2

    Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.

  3. Isa 12:3

    Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.

  4. Isa 12:4

    Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.

  5. Isa 12:5

    Mankalazà an’ i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ ny tany rehetra izany.

  6. Isa 12:6

    Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ ny Isiraely.

Isaia: toko 66

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Isaia 12 dia iray amin'ny toko 66 ao amin'ny bokin'ny Isaia, boky faha-23 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.