Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Vaovao
Ny Filazantsara sy ny Asa · boky faha-43 amin'ny 66Jaona
«Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana.» Ny Filazantsaran'ny famantarana sy ny teny hoe «Izaho no…», nosoratana mba hinoantsika fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
Ny andininy voalohany
Jaona 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- Jao 1:1
Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
- Jao 1:2
Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany.
- Jao 1:3
Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
- Jao 1:4
Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
- Jao 1:5
Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.
Jaona: toko 21
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Jaona dia boky faha-43 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 21, andininy 879, soratra fananan'ny besinimaro.