Fandraisana · Ny boky 66 · Jaona

Testamenta Vaovao · Ny Filazantsara sy ny Asa · toko 15 amin'ny 21

Jaona 15

Jaona 15, Baiboly (1865): toko feno, andininy 27, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

27andininy
15 / 21toko
Jao 15fanondroana
TVTestamenta Vaovao

Jaona 15 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 27. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Jao 15:1

    Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.

  2. Jao 15:2

    Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.

  3. Jao 15:3

    Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.

  4. Jao 15:4

    Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.

  5. Jao 15:5

    Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.

  6. Jao 15:6

    Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.

  7. Jao 15:7

    Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.

  8. Jao 15:8

    Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.

  9. Jao 15:9

    Tahaka ny nitiavan’ ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ ny fitiavako ianareo.

  10. Jao 15:10

    Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany.

  11. Jao 15:11

    Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.

  12. Jao 15:12

    Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

  13. Jao 15:13

    Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

  14. Jao 15:14

    Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.

  15. Jao 15:15

    Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ ny Raiko no nambarako taminareo.

  16. Jao 15:16

    Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.

  17. Jao 15:17

    Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.

  18. Jao 15:18

    Raha halan’ izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.

  19. Jao 15:19

    Raha naman’ izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’ izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’ izao tontolo izao, dia halan’ izao tontolo izao ianareo.

  20. Jao 15:20

    Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.

  21. Jao 15:21

    Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.

  22. Jao 15:22

    Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin’ ny helony.

  23. Jao 15:23

    Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.

  24. Jao 15:24

    Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon’ olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;

  25. Jao 15:25

    fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ ny lalàny hoe: Halany foana Aho.

  26. Jao 15:26

    Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.

  27. Jao 15:27

    Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ ny voalohany.

Jaona: toko 21

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Jaona 15 dia iray amin'ny toko 21 ao amin'ny bokin'ny Jaona, boky faha-43 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.