Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Vaovao
Ny Filazantsara sy ny Asa · boky faha-41 amin'ny 66Marka
Ny Filazantsara fohy sy mafana indrindra: Jesosy miasa, manasitrana ary mampianatra amin'ny fahefana — ny Zanak'Andriamanitra izay tonga «mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro».
Ny andininy voalohany
Marka 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- Mar 1:1
Ny niandohan’ ny filazantsaran’ i Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
- Mar 1:2
Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao;
- Mar 1:3
Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany,
- Mar 1:4
dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka.
- Mar 1:5
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
Marka: toko 16
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Marka dia boky faha-41 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 16, andininy 678, soratra fananan'ny besinimaro.