Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Vaovao
Ny Filazantsara sy ny Asa · boky faha-42 amin'ny 66Lioka
Nosoratan'i Lioka mpanao fanafody: ny fitantarana feno indrindra ny fiainan'i Jesosy, hatramin'ny nisehoan'ny anjely tamin'i Maria ka hatramin'ny niakarany tany an-danitra. Ny fanoharana ny amin'ilay Samaritana tsara fanahy sy ilay zanaka adala.
Ny andininy voalohany
Lioka 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- Lio 1:1
Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa,
- Lio 1:2
araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ ny voalohany:
- Lio 1:3
dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
- Lio 1:4
mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
- Lio 1:5
Tamin’ ny andron’ i Heroda, mpanjakan’ i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ ny antokon’ i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin’ ny taranak’ i Arona, Elizabeta no anarany.
Lioka: toko 24
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Lioka dia boky faha-42 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 24, andininy 1.151, soratra fananan'ny besinimaro.