Fandraisana · Ny boky 66 · Lioka
Testamenta Vaovao · Ny Filazantsara sy ny Asa · toko 17 amin'ny 24Lioka 17
Lioka 17, Baiboly (1865): toko feno, andininy 37, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Lioka 17 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 37. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Lio 17:1
Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’ izay olona mahatonga izany!
- Lio 17:2
Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin’ ireo madinika ireo aza.
- Lio 17:3
Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.
- Lio 17:4
Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
- Lio 17:5
Ary hoy ny Apostoly tamin’ ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.
- Lio 17:6
Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin’ io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
- Lio 17:7
Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?
- Lio 17:8
Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
- Lio 17:9
Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?
- Lio 17:10
Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
- Lio 17:11
Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an’ i Samaria sy Galilia.
- Lio 17:12
Ary raha niditra tao amin’ ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
- Lio 17:13
Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
- Lio 17:14
Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
- Lio 17:15
Ary ny anankiray tamin’ ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery
- Lio 17:16
sady niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
- Lio 17:17
Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
- Lio 17:18
Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’ Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
- Lio 17:19
Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
- Lio 17:20
Ary Jesosy, nony nanontanian’ ny Fariseo izay andro hihavian’ ny fanjakan’ Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
- Lio 17:21
Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ! fa, indro, ny fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatinareo.
- Lio 17:22
Ary hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona, nefa tsy hahita ianareo.
- Lio 17:23
Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.
- Lio 17:24
Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin’ ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak’ olona amin’ ny androny,
- Lio 17:25
Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin’ ity taranaka ity.
- Lio 17:26
Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona:
- Lio 17:27
nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
- Lio 17:28
Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;
- Lio 17:29
fa tamin’ ny andro izay nivoahan’ i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
- Lio 17:30
Dia ho tahaka izany koa amin’ ny andro hisehoan’ ny Zanak’ olona.
- Lio 17:31
Amin’ izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’ izay efa nilaozany izy.
- Lio 17:32
Tsarovy ny vadin’ i Lota.
- Lio 17:33
Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.
- Lio 17:34
Lazaiko aminareo fa amin’ izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
- Lio 17:35
Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
- Lio 17:36
[Tsy hita ao amin'ny soratra nomerika amin'ny Baiboly 1865 ity andininy ity.]
- Lio 17:37
Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran’ ny faty, dia any koa no hiangonan’ ny voromahery.
Lioka: toko 24
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Lioka 17 dia iray amin'ny toko 24 ao amin'ny bokin'ny Lioka, boky faha-42 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.