Fandraisana · Ny boky 66 · Lioka

Testamenta Vaovao · Ny Filazantsara sy ny Asa · toko 2 amin'ny 24

Lioka 2

Lioka 2, Baiboly (1865): toko feno, andininy 52, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

52andininy
2 / 24toko
Lio 2fanondroana
TVTestamenta Vaovao

Lioka 2 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 52. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Lio 2:1

    Ary tamin’ izany andro izany dia nisy didy navoak’ i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ ny vahoaka rehetra amin’ ny fanjakany.

  2. Lio 2:2

    (Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)

  3. Lio 2:3

    Dia samy nankany amin’ ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.

  4. Lio 2:4

    Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’ i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ ny taranak’ i Davida sy ny mpianakaviny),

  5. Lio 2:5

    mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.

  6. Lio 2:6

    Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.

  7. Lio 2:7

    Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.

  8. Lio 2:8

    Ary nisy mpiandry ondry tamin’ izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ ny alina.

  9. Lio 2:9

    Ary nisy anjelin’ ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.

  10. Lio 2:10

    Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ ny olona rehetra;

  11. Lio 2:11

    fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo.

  12. Lio 2:12

    Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;

  13. Lio 2:13

    Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ ilay anjely teo ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:

  14. Lio 2:14

    Voninahitra any amin’ ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany.

  15. Lio 2:15

    Ary tamin’ izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ ny Tompo antsika.

  16. Lio 2:16

    Dia nandeha faingana izy ka nahita an’ i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.

  17. Lio 2:17

    Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’ izany Zaza izany.

  18. Lio 2:18

    Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’ izay zavatra nolazain’ ny mpiandry ondry taminy.

  19. Lio 2:19

    Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.

  20. Lio 2:20

    Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an’ Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.

  21. Lio 2:21

    Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon’ ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.

  22. Lio 2:22

    Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn’ i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ ny Tompo

  23. Lio 2:23

    araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masìna ho an’ i Jehovah.

  24. Lio 2:24

    ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa.

  25. Lio 2:25

    Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masìna dia tao aminy.

  26. Lio 2:26

    Ary efa nambaran’ ny Fanahy Masìna taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ ny Tompo.

  27. Lio 2:27

    Ary nentin’ ny Fanahy Masìna niditra teo an-kianjan’ ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin’ ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ ny lalàna ny amin’ ny zaza,

  28. Lio 2:28

    dia nitrotro Azy izy ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:

  29. Lio 2:29

    Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ ny fiadanana Araka ny teninao;

  30. Lio 2:30

    Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,

  31. Lio 2:31

    Izay namboarinao teo anatrehan’ ny firenena rehetra,

  32. Lio 2:32

    Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.

  33. Lio 2:33

    Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.

  34. Lio 2:34

    Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin’ i Maria, renin’ ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ ny Isiraely ary ho famantarana holavina

  35. Lio 2:35

    ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra ― mba haseho ny hevitry ny fo maro.

  36. Lio 2:36

    Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin’ i Fanoela, avy tamin’ ny firenen’ i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ ny vadiny fito taona taorian’ ny naha-virijina azy,

  37. Lio 2:37

    ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan’ ny tempoly izy, fa nanompo tamin’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’ alina.

  38. Lio 2:38

    Ary nony niditra tamin’ izany ora izany izy, dia nisaotra an’ Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’ izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.

  39. Lio 2:39

    Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.

  40. Lio 2:40

    Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’ Andriamanitra no tao aminy.

  41. Lio 2:41

    Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ ny Paska.

  42. Lio 2:42

    Ary rehefa roa ambin’ ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ ny andro firavoravoana.

  43. Lio 2:43

    Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;

  44. Lio 2:44

    ary satria nataony fa niaraka tamin’ ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ ny havany sy ny olom-pantany.

  45. Lio 2:45

    Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.

  46. Lio 2:46

    Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.

  47. Lio 2:47

    Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.

  48. Lio 2:48

    Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!

  49. Lio 2:49

    Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho?

  50. Lio 2:50

    Nefa tsy azon’ ireo ny teny izay nolazainy taminy.

  51. Lio 2:51

    Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.

  52. Lio 2:52

    Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.

Lioka: toko 24

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Lioka 2 dia iray amin'ny toko 24 ao amin'ny bokin'ny Lioka, boky faha-42 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.