Fandraisana · Ny boky 66 · Lioka
Testamenta Vaovao · Ny Filazantsara sy ny Asa · toko 13 amin'ny 24Lioka 13
Lioka 13, Baiboly (1865): toko feno, andininy 35, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Lioka 13 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 35. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Lio 13:1
Ary tamin’ izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin’ i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon’ i Pilato tamin’ ny fanatiny ny ràny.
- Lio 13:2
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin’ izany zavatra izany izy?
- Lio 13:3
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
- Lio 13:4
Ary ireny valo ambin’ ny folo ireny, izay nianjeran’ ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
- Lio 13:5
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
- Lio 13:6
Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
- Lio 13:7
Ka dia hoy izy tamin’ ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
- Lio 13:8
Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
- Lio 13:9
angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
- Lio 13:10
Ary nampianatra tao amin’ ny synagoga anankiray Jesosy tamin’ ny Sabata.
- Lio 13:11
Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
- Lio 13:12
Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ ny rofinao ianao.
- Lio 13:13
Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra.
- Lio 13:14
Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin’ ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin’ ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin’ izany, fa tsy amin’ ny andro Sabata.
- Lio 13:15
Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ ny fihinanam-bilona amin’ ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
- Lio 13:16
Koa ity vehivavy zanak’ i Abrahama ity, izay efa nafatotr’ i Satana izao valo ambin’ ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’ izany fatorana izany amin’ ny andro Sabata va?
- Lio 13:17
Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
- Lio 13:18
Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan’ Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
- Lio 13:19
Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain’ olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin’ ny rantsany.
- Lio 13:20
Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan’ Andriamanitra?
- Lio 13:21
Tahaka ny masirasira izy, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.
- Lio 13:22
Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
- Lio 13:23
Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin’ ny olona:
- Lio 13:24
Miseseha hiditra amin’ ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
- Lio 13:25
Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
- Lio 13:26
ary amin’ izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
- Lio 13:27
Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
- Lio 13:28
Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an’ i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
- Lio 13:29
Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
- Lio 13:30
Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
- Lio 13:31
Tamin’ izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
- Lio 13:32
Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin’ izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.
- Lio 13:33
Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
- Lio 13:34
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
- Lio 13:35
Indro, avela ho anareo ny tranonareo! ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
Lioka: toko 24
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Lioka 13 dia iray amin'ny toko 24 ao amin'ny bokin'ny Lioka, boky faha-42 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.