Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Taloha
Ny Mpaminany Madinika · boky faha-36 amin'ny 66Zefania
Efa akaiky ny andron'i Jehovah: fitsarana ny Joda sy ny firenena, ary avy eo ny fifaliana. «Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy… hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.»
Ny andininy voalohany
Zefania 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- Zef 1:1
Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Zefania, zanak’ i Kosy, zanak’ i Gedalia, zanak’ i Amaria, zanak’ i Hezekia, tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda.
- Zef 1:2
Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ ny tany, hoy Jehovah;
- Zef 1:3
Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin’ ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin’ ny tany ny olona, hoy Jehovah.
- Zef 1:4
Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin’ ity tany ity ny sisa amin’ i Bala, Sy ny anaran’ ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy mbamin’ ny tena mpisorona,
- Zef 1:5
Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin’ izay eny amin’ ny lanitra, Ary izay miankohoka sy mianiana ho an’ i Jehovah Sady mianiana amin’ i Malkama,
Zefania: toko 3
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Zefania dia boky faha-36 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 3, andininy 53, soratra fananan'ny besinimaro.