Fandraisana · Ny boky 66 · Hagay

Testamenta Taloha · Ny Mpaminany Madinika · toko 1 amin'ny 2

Hagay 1

Hagay 1, Baiboly (1865): toko feno, andininy 15, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

15andininy
1 / 2toko
Hag 1fanondroana
TTTestamenta Taloha

Hagay 1 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 15. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Hag 1:1

    Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa mpanjaka no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:

  2. Hag 1:2

    Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’ i Jehovah.

  3. Hag 1:3

    Dia tonga ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe:

  4. Hag 1:4

    Moa andro tokony hitoeran’ ny tenanareo ao amin’ ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?

  5. Hag 1:5

    Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.

  6. Hag 1:6

    Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.

  7. Hag 1:7

    Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.

  8. Hag 1:8

    Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.

  9. Hag 1:9

    Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.

  10. Hag 1:10

    Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan’ ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan’ ny tany tsy hahavokatra.

  11. Hag 1:11

    Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin’ izay rehetra efa nisasaran’ ny tanana.

  12. Hag 1:12

    Ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka, dia nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin’ i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan’ i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan’ i Jehovah ny olona.

  13. Hag 1:13

    Ary nambaran’ i Hagay, irak’ i Jehovah, ny teny nampitondrain’ i Jehovah ho amin’ ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.

  14. Hag 1:14

    Dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamaniny,

  15. Hag 1:15

    tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa.

Hagay: toko 2

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Hagay 1 dia iray amin'ny toko 2 ao amin'ny bokin'ny Hagay, boky faha-37 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.