Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Taloha
Ny Boky Ara-tantara · boky faha-7 amin'ny 66Mpitsara
Ny andro taorian'i Josoa, fony «samy nanao izay nataony ho marina eo imasony avy ny olona rehetra». Ny mpitsara natsangan'Andriamanitra hamonjy ny olony: Debora, Gideona, Jefta ary Samsona.
Ny andininy voalohany
Mpitsara 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- Mpits 1:1
Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny Kananita ho anay?
- Mpits 1:2
Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
- Mpits 1:3
Ary hoy Joda tamin’ i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin’ ny lovako, ka aoka isika hiady amin’ ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin’ ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
- Mpits 1:4
Dia niakatra Joda, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.
- Mpits 1:5
Ary nahita an’ i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.
Mpitsara: toko 21
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Mpitsara dia boky faha-7 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 21, andininy 618, soratra fananan'ny besinimaro.