Fandraisana · Ny boky 66 · Mpitsara
Testamenta Taloha · Ny Boky Ara-tantara · toko 2 amin'ny 21Mpitsara 2
Mpitsara 2, Baiboly (1865): toko feno, andininy 23, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Mpitsara 2 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 23. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Mpits 2:1
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ ny tany izay nianianako tamin’ ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
- Mpits 2:2
koa aza manao fanekena amin’ ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
- Mpits 2:3
Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin’ ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
- Mpits 2:4
Ary nony niteny izany teny izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
- Mpits 2:5
Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
- Mpits 2:6
Ary rehefa nampodin’ i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin’ ny lovany avy ny Zanak’ Isiraely rehetra handova ny tany.
- Mpits 2:7
Ary nanompo an’ i Jehovah ny vahoaka tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa sy tamin’ ny andro rehetra niainan’ ny loholona izay velona taorian’ i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely.
- Mpits 2:8
Ary maty Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
- Mpits 2:9
Dia nalevina tao anatin’ ny fari-tanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
- Mpits 2:10
Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an’ i Jehovah na ny asa efa nataony ho an’ ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
- Mpits 2:11
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, fa nanompo ireo Bala
- Mpits 2:12
ka nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin’ ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
- Mpits 2:13
Eny, nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanampo an’ i Bala sy Astarta.
- Mpits 2:14
Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
- Mpits 2:15
Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan’ i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
- Mpits 2:16
Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ ny tànan’ ireo namabo azy.
- Mpits 2:17
Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin’ ny lalana izay nandehanan’ ny razany nanaraka ny didin’ i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
- Mpits 2:18
Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ ny tanan’ ny fahavalony tamin’ ny andro rehetra niainan’ izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
- Mpits 2:19
Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon’ ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin’ ny fanaony na tamin’ ny lalana nanaovany ditra izy.
- Mpits 2:20
Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
- Mpits 2:21
dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin’ ny firenena izay tsy mbola resy hatramin’ ny andro nahafatesan’ i Josoa,
- Mpits 2:22
mba hizahako toetra ny Isiraely amin’ ireny, na hitandrina ny lalan’ i Jehovah ka handeha amin’ izany araka izay nitandreman’ ny razany izany izy, na tsia.
- Mpits 2:23
Dia navelan’ i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan’ i Josoa ireny.
Mpitsara: toko 21
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Mpitsara 2 dia iray amin'ny toko 21 ao amin'ny bokin'ny Mpitsara, boky faha-7 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.