Fandraisana · Ny boky 66 · Mpitsara
Testamenta Taloha · Ny Boky Ara-tantara · toko 8 amin'ny 21Mpitsara 8
Mpitsara 8, Baiboly (1865): toko feno, andininy 35, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Mpitsara 8 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 35. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Mpits 8:1
Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Efraima tamin’ i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin’ ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
- Mpits 8:2
Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao, raha oharina amin’ izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok’ i Efraima noho ny fiotazam-boalobok’ i Abiezera?
- Mpits 8:3
Teo an-tananareo no nanoloran’ Andriamanitra ny andrianan’ ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin’ ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran’ ireo taminy.
- Mpits 8:4
Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
- Mpits 8:5
Ary hoy izy tamin’ ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an’ i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan’ ny Midiana.
- Mpits 8:6
Fa hoy ireo andrianan’ i Sokota: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
- Mpits 8:7
Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr’ i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin’ ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo.
- Mpits 8:8
Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin’ ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin’ ny mponina tao Sokota ihany.
- Mpits 8:9
Dia niteny tamin’ ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.
- Mpits 8:10
Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin’ ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin’ ny miaramila rehetra an’ ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.
- Mpits 8:11
Ary Gideona niakatra tamin’ ny lalan’ ny mpitoetra an-day, atsinanan’ i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
- Mpits 8:12
Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin’ ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
- Mpits 8:13
Dia niverina avy tamin’ ny ady Gideona, zanak’ i Joasy, avy teo amin’ ny fiakarana Heresa;
- Mpits 8:14
ary nisambotra zatovo tamin’ ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan’ ilay zatovo ny anaran’ ireo andrianan’ i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
- Mpits 8:15
Ary Gideona dia nankany amin’ ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon’ ny tananao ankehitriny va ny tànan’ i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
- Mpits 8:16
Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.
- Mpits 8:17
Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
- Mpits 8:18
Dia hoy izy tamin’ i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak’ andriana avokoa izy rehetra.
- Mpits 8:19
Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.
- Mpits 8:20
Ary hoy izy tamin’ i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
- Mpits 8:21
Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an’ i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin’ ny vozon’ ny ramevany.
- Mpits 8:22
Dia hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny Midiana ianao.
- Mpits 8:23
Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
- Mpits 8:24
Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin’ ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
- Mpits 8:25
Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin’ ny babony teo.
- Mpits 8:26
Ary ny lanjan’ ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin’ ireo mpanjakan’ ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin’ ny vozon’ ny ramevany.
- Mpits 8:27
Dia nataon’ i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin’ i Gideona sy ny ankohonany izany.
- Mpits 8:28
Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin’ ny andron’ i Gideona.
- Mpits 8:29
Dia nandeha Jerobala, zanak’ i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
- Mpits 8:30
Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.
- Mpits 8:31
Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
- Mpits 8:32
Dia maty Gideona, zanak’ i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin’ ny fasan’ i Joasy rainy tao Ofran’ ny Abiezrita izy.
- Mpits 8:33
Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak’ Isiraely ka nanao an’ i Bala-berita ho andriamaniny.
- Mpits 8:34
Ary ny Zanak’ Isiraely tsy nahatsiaro an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra nanodidina,
- Mpits 8:35
sady tsy nanao soa tamin’ ny taranak’ i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon’ i Gideona tamin’ ny Isiraely, izy.
Mpitsara: toko 21
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Mpitsara 8 dia iray amin'ny toko 21 ao amin'ny bokin'ny Mpitsara, boky faha-7 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.