Fandraisana · Ny boky 66 · Ohabolana

Testamenta Taloha · Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · toko 13 amin'ny 31

Ohabolana 13

Ohabolana 13, Baiboly (1865): toko feno, andininy 25, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

25andininy
13 / 31toko
Oha 13fanondroana
TTTestamenta Taloha

Ohabolana 13 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 25. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Oha 13:1

    Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.

  2. Oha 13:2

    Ny vokatry ny vavan’ ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.

  3. Oha 13:3

    Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.

  4. Oha 13:4

    Ny fanahin’ ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ ny mazoto hohatavezina.

  5. Oha 13:5

    Ny lainga dia halan’ ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.

  6. Oha 13:6

    Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.

  7. Oha 13:7

    Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.

  8. Oha 13:8

    Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.

  9. Oha 13:9

    Ny fahazavan’ ny marina dia tsara firehitra; Fa ny jiron’ ny ratsy fanahy ho faty.

  10. Oha 13:10

    Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ ny mino anatra no misy fahendrena.

  11. Oha 13:11

    Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.

  12. Oha 13:12

    Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon’ aina ny faniriana tanteraka.

  13. Oha 13:13

    Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.

  14. Oha 13:14

    Ny fampianaran’ ny hendry dia loharanon’ aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ ny fandriky ny fahafatesana.

  15. Oha 13:15

    Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ ny mpivadika.

  16. Oha 13:16

    Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;

  17. Oha 13:17

    Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.

  18. Oha 13:18

    Fahalahelovana sy henatra no ho an’ izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.

  19. Oha 13:19

    Mamin’ ny fo ny faniriana tanteraka; Fa fahavetavetana eo imason’ ny adala ny hiala amin’ ny ratsy.

  20. Oha 13:20

    Izay miara-dia amin’ ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny adala dia hidiran-doza.

  21. Oha 13:21

    Ny mpanota dia enjehin’ ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.

  22. Oha 13:22

    Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina.

  23. Oha 13:23

    Ny tanin’ ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’ izay tsy rariny.

  24. Oha 13:24

    Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.

  25. Oha 13:25

    Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ ny ratsy fanahy.

Ohabolana: toko 31

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Ohabolana 13 dia iray amin'ny toko 31 ao amin'ny bokin'ny Ohabolana, boky faha-20 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.