Fandraisana · Ny boky 66 · Ohabolana

Testamenta Taloha · Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · toko 16 amin'ny 31

Ohabolana 16

Ohabolana 16, Baiboly (1865): toko feno, andininy 33, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

33andininy
16 / 31toko
Oha 16fanondroana
TTTestamenta Taloha

Ohabolana 16 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 33. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Oha 16:1

    Ny fikasan’ ny fo no amin’ ny olona; Fa ny famalian’ ny lela dia avy amin’ i Jehovah.

  2. Oha 16:2

    Ataon’ ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.

  3. Oha 16:3

    Ankino amin’ i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.

  4. Oha 16:4

    Ny zavatra rehetra nataon’ i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ ny andro hahitan-doza.

  5. Oha 16:5

    Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.

  6. Oha 16:6

    Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin’ ny heloka; Ary ny fahatahorana an’ i Jehovah no analavirana ny ratsy.

  7. Oha 16:7

    Raha sitrak’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.

  8. Oha 16:8

    Aleo ny kely omban’ ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ ny tsy rariny.

  9. Oha 16:9

    Ny fon’ ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.

  10. Oha 16:10

    Ny teny marina dia eo amin’ ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.

  11. Oha 16:11

    An’ i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.

  12. Oha 16:12

    Fahavetavetana eo imason’ ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan’ ny seza fiandrianana.

  13. Oha 16:13

    Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.

  14. Oha 16:14

    Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.

  15. Oha 16:15

    Amin’ ny fahamiramiranan’ ny tarehin’ ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ ny fararano.

  16. Oha 16:16

    Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.

  17. Oha 16:17

    Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.

  18. Oha 16:18

    Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.

  19. Oha 16:19

    Tsara ny malemy fanahy ao amin’ izay manetry tena Noho ny mizara babo amin’ izay miavonavona.

  20. Oha 16:20

    Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’ i Jehovah no ho sambatra.

  21. Oha 16:21

    Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian’ ny molotra mampandroso fahendrena.

  22. Oha 16:22

    Loharanon’ aina ny fahazavan-tsaina amin’ izay manana izany; Fa ny famaizana ataon’ ny adala dia fahadalana ihany.

  23. Oha 16:23

    Ny fon’ ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin’ ny molony.

  24. Oha 16:24

    Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin’ ny fanahy no mahatsara ny taolana.

  25. Oha 16:25

    Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.

  26. Oha 16:26

    Ny fahanoanan’ ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.

  27. Oha 16:27

    Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin’ ny molony.

  28. Oha 16:28

    Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.

  29. Oha 16:29

    Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin’ ny lalana tsy tsara.

  30. Oha 16:30

    Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.

  31. Oha 16:31

    Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no ahazoana azy.

  32. Oha 16:32

    Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.

  33. Oha 16:33

    Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin’ i Jehovah ihany no isehoan’ ny fitsarany.

Ohabolana: toko 31

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Ohabolana 16 dia iray amin'ny toko 31 ao amin'ny bokin'ny Ohabolana, boky faha-20 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.