Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Taloha

Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · boky faha-18 amin'ny 66

Joba

Joba, lehilahy marina, namoy ny zavatra rehetra ka nanontany hoe: nahoana ny marina no mijaly? Ny resaka lava tamin'ireo sakaizany, ary ny valin-tenin'Andriamanitra avy tao amin'ny tafio-drivotra. Iray amin'ireo tononkalo lehibe indrindra momba ny fahoriana sy ny finoana.

42toko
1.070andininy
Jobafanafohezana
TTTestamenta Taloha

Ny andininy voalohany

Joba 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.

  1. Joba 1:1

    Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.

  2. Joba 1:2

    Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.

  3. Joba 1:3

    Ary ny fananany dia ondry aman’ osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.

  4. Joba 1:4

    Ary fanaon’ ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an’ androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.

  5. Joba 1:5

    Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan’ izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’ Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’ i Joba mandrakariva.

Joba: toko 42

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Joba dia boky faha-18 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 42, andininy 1.070, soratra fananan'ny besinimaro.