Fandraisana · Ny boky 66 · Testamenta Taloha
Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · boky faha-19 amin'ny 66Salamo
Ny bokin'ny hira sy ny vavak'ny Isiraely: fiderana, fisaorana, fibebahana ary fitokiana, dimam-polo amby zato. «Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho» (Salamo 23). Ny boky fivavahan'ny mino tamin'ny andro rehetra.
Ny andininy voalohany
Salamo 1 (Baiboly 1865): eto no iandohan'ny boky manontolo.
- Sal 1:1
Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ ny lalana falehan’ ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ ny fipetrahan’ ny mpaniratsira;
- Sal 1:2
Fa ny lalàn’ i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’ alina.
- Sal 1:3
Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
- Sal 1:4
Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin’ ny rivotra izy.
- Sal 1:5
Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ ny fitsarana, na ny mpanota eo amin’ ny fiangonan’ ny marina.
Salamo: toko 150
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Salamo dia boky faha-19 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865): toko 150, andininy 2.461, soratra fananan'ny besinimaro.