Fandraisana · Ny boky 66 · Salamo

Testamenta Taloha · Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · toko 110 amin'ny 150

Salamo 110

Salamo 110, Baiboly (1865): toko feno, andininy 7, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

7andininy
110 / 150toko
Sal 110fanondroana
TTTestamenta Taloha

Salamo 110 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 7. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Sal 110:1

    Salamo nataon’ i Davida. Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

  2. Sal 110:2

    Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao.

  3. Sal 110:3

    Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.

  4. Sal 110:4

    Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka.

  5. Sal 110:5

    Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany

  6. Sal 110:6

    Hitsara any amin’ ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin’ ny tany malalaka Izy.

  7. Sal 110:7

    Hisotro amin’ ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan’ ny lohany.

Hanohy mamaky

Ny Salamo 110 dia iray amin'ny hira 150 ao amin'ny bokin'ny Salamo, boky faha-19 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka izy ireo, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.