Fandraisana · Ny boky 66 · Salamo

Testamenta Taloha · Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · toko 27 amin'ny 150

Salamo 27

Salamo 27, Baiboly (1865): toko feno, andininy 14, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

14andininy
27 / 150toko
Sal 27fanondroana
TTTestamenta Taloha

Salamo 27 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 14. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Sal 27:1

    Nataon’ i Davida. Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?

  2. Sal 27:2

    Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.

  3. Sal 27:3

    Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.

  4. Sal 27:4

    Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’ i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’ i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.

  5. Sal 27:5

    Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.

  6. Sal 27:6

    Koa dia hisandratra ambonin’ ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’ i Jehovah aho.

  7. Sal 27:7

    Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.

  8. Sal 27:8

    Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;

  9. Sal 27:9

    Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.

  10. Sal 27:10

    Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.

  11. Sal 27:11

    Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.

  12. Sal 27:12

    Aza manolotra ahy ho amin’ ny sitrapon’ ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.

  13. Sal 27:13

    Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’ i Jehovah amin’ ny tanin’ ny velona.

  14. Sal 27:14

    Miandrasa an’ i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’ i Jehovah.

Hanohy mamaky

Ny Salamo 27 dia iray amin'ny hira 150 ao amin'ny bokin'ny Salamo, boky faha-19 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka izy ireo, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.