Fandraisana · Ny boky 66 · Salamo
Testamenta Taloha · Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · toko 130 amin'ny 150Salamo 130
Salamo 130, Baiboly (1865): toko feno, andininy 8, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Salamo 130 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 8. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Sal 130:1
Fihirana fiakarana. Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
- Sal 130:2
Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako.
- Sal 130:3
Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
- Sal 130:4
Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
- Sal 130:5
Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
- Sal 130:6
Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina.
- Sal 130:7
Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;
- Sal 130:8
Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.
Salamo: toko 150
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Salamo 130 dia iray amin'ny hira 150 ao amin'ny bokin'ny Salamo, boky faha-19 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka izy ireo, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.