Fandraisana · Ny boky 66 · Salamo
Testamenta Taloha · Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · toko 90 amin'ny 150Salamo 90
Salamo 90, Baiboly (1865): toko feno, andininy 17, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Salamo 90 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 17. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Sal 90:1
Fivavak’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ ny taranaka rehetra Hianao.
- Sal 90:2
Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.
- Sal 90:3
Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona.
- Sal 90:4
Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ ny alina.
- Sal 90:5
Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin’ ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
- Sal 90:6
Amin’ ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin’ ny hariva voajinja izy ka maina.
- Sal 90:7
Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
- Sal 90:8
Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao.
- Sal 90:9
Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
- Sal 90:10
Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
- Sal 90:11
Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
- Sal 90:12
Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
- Sal 90:13
Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ ny mpanomponao.
- Sal 90:14
Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay.
- Sal 90:15
Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
- Sal 90:16
Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany.
- Sal 90:17
Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy.
Salamo: toko 150
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Salamo 90 dia iray amin'ny hira 150 ao amin'ny bokin'ny Salamo, boky faha-19 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka izy ireo, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.