Fandraisana · Ny boky 66 · Salamo

Testamenta Taloha · Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · toko 50 amin'ny 150

Salamo 50

Salamo 50, Baiboly (1865): toko feno, andininy 23, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

23andininy
50 / 150toko
Sal 50fanondroana
TTTestamenta Taloha

Salamo 50 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 23. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Sal 50:1

    Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany.

  2. Sal 50:2

    Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan’ Andriamanitra.

  3. Sal 50:3

    Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.

  4. Sal 50:4

    Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:

  5. Sal 50:5

    Angony etỳ amiko ny oloko masìna izay manao fanekena amiko amin’ ny fanatitra.

  6. Sal 50:6

    Hasehon’ ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. [Sela.]

  7. Sal 50:7

    Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.

  8. Sal 50:8

    Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.

  9. Sal 50:9

    Tsy maka vantotr’ ombilahy amin’ ny tranonao Aho, na osilahy amin’ ny valanao;

  10. Sal 50:10

    Fa Ahy ny biby rehetra any an’ ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.

  11. Sal 50:11

    Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.

  12. Sal 50:12

    Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.

  13. Sal 50:13

    Hihinana ny nofon’ ombilahy va Aho, na hisotro ny ran’ osilahy?

  14. Sal 50:14

    Manatera fanati-pisaorana ho an’ Andriamanitra; ary efao amin’ ny Avo Indrindra ny voadinao;

  15. Sal 50:15

    Antsoy Aho amin’ ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.

  16. Sal 50:16

    Fa amin’ ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?

  17. Sal 50:17

    Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.

  18. Sal 50:18

    Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin’ ny mpijangajanga.

  19. Sal 50:19

    Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.

  20. Sal 50:20

    Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.

  21. Sal 50:21

    Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.

  22. Sal 50:22

    Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’ Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.

  23. Sal 50:23

    Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen’ Andriamanitra.

Hanohy mamaky

Ny Salamo 50 dia iray amin'ny hira 150 ao amin'ny bokin'ny Salamo, boky faha-19 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka izy ireo, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.