Fandraisana · Ny boky 66 · Joba

Testamenta Taloha · Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · toko 24 amin'ny 42

Joba 24

Joba 24, Baiboly (1865): toko feno, andininy 25, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

25andininy
24 / 42toko
Joba 24fanondroana
TTTestamenta Taloha

Joba 24 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 25. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Joba 24:1

    Nahoana no tsy misy fotoan’ andro voatendrin’ ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ ny mahalala Azy izany androny Izany?

  2. Joba 24:2

    Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ ondry sady miandry azy.

  3. Joba 24:3

    Mandroaka ny borikin’ ny kamboty izy, ary maka ny ombin’ ny mpitondratena ho tsatòka.

  4. Joba 24:4

    Manosika ny mahantra hiala amin’ ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ ny tany.

  5. Joba 24:5

    Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak’ ireny ho amin’ ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an’ ny zanany.

  6. Joba 24:6

    Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.

  7. Joba 24:7

    Mandry mitanjaka amin’ ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin’ ny hatsiaka;

  8. Joba 24:8

    Kotsan’ ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin’ ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.

  9. Joba 24:9

    Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin’ ny ory.

  10. Joba 24:10

    Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.

  11. Joba 24:11

    Manao diloilo eo anatin’ ny tambohon’ ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.

  12. Joba 24:12

    Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin’ ny voalefona; Nefa tsy ahoan’ Andriamanitra akory ny ratsy atao.

  13. Joba 24:13

    Ireny no mpikomy amin’ ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin’ ny alehany.

  14. Joba 24:14

    Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.

  15. Joba 24:15

    Ny mason’ ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.

  16. Joba 24:16

    Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;

  17. Joba 24:17

    Fa ny aizim-pito no marainan’ ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ ny aizim-pito izy.

  18. Joba 24:18

    Mitsinkafona paohin’ ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin’ ny tany; Tsy mivily ho amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tanim-boaloboka izy.

  19. Joba 24:19

    Toy ny andevonan’ ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan’ ny fiainan-tsi-hita ny mpanota.

  20. Joba 24:20

    Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,

  21. Joba 24:21

    Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.

  22. Joba 24:22

    Kanefa halavain’ Andriamanitra amin’ ny heriny ny andron’ ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.

  23. Joba 24:23

    Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.

  24. Joba 24:24

    Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.

  25. Joba 24:25

    Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.

Joba: toko 42

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Joba 24 dia iray amin'ny toko 42 ao amin'ny bokin'ny Joba, boky faha-18 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.