Fandraisana · Ny boky 66 · Joba

Testamenta Taloha · Ny Boky Tononkalo sy Fahendrena · toko 7 amin'ny 42

Joba 7

Joba 7, Baiboly (1865): toko feno, andininy 21, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

21andininy
7 / 42toko
Joba 7fanondroana
TTTestamenta Taloha

Joba 7 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 21. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Joba 7:1

    Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’ olombelona etỳ ambonin’ ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ ny mpikarama va ny androny?

  2. Joba 7:2

    Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany,

  3. Joba 7:3

    Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.

  4. Joba 7:4

    Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ ny andro.

  5. Joba 7:5

    Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.

  6. Joba 7:6

    Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.

  7. Joba 7:7

    Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.

  8. Joba 7:8

    Tsy hahita ahy intsony ny mason’ izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.

  9. Joba 7:9

    Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;

  10. Joba 7:10

    Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.

  11. Joba 7:11

    Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ ny aiko.

  12. Joba 7:12

    Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?

  13. Joba 7:13

    Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.

  14. Joba 7:14

    Dia mampitahotra ahy amin’ ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry;

  15. Joba 7:15

    Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;

  16. Joba 7:16

    Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.

  17. Joba 7:17

    Inona moa ny zanak’ olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,

  18. Joba 7:18

    Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?

  19. Joba 7:19

    Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?

  20. Joba 7:20

    Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?

  21. Joba 7:21

    Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.

Joba: toko 42

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Joba 7 dia iray amin'ny toko 42 ao amin'ny bokin'ny Joba, boky faha-18 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.