Fandraisana · Ny boky 66 · Nomery
Testamenta Taloha · Ny Pentateoka · toko 19 amin'ny 36Nomery 19
Nomery 19, Baiboly (1865): toko feno, andininy 22, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Nomery 19 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 22. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Nom 19:1
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
- Nom 19:2
Izao no lalàna hotandremana, izay efa nandidian’ i Jehovah: Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondrany vantotr’ ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga.
- Nom 19:3
Ary omeo ho an’ i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan’ ny toby ka hovonoina eo anatrehany.
- Nom 19:4
Dia hanalan’ i Eleazara mpisorona amin’ ny fanondrony ny ràny ka hafafiny impito manandrify ny trano-lay fihaonana.
- Nom 19:5
Dia hodorana eo imasony ilay vantotr’ ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny ràny mbamin’ ny tain-drorohany dia hodorana avokoa.
- Nom 19:6
Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan’ ny afo andoroana ny vantotr’ ombivavy.
- Nom 19:7
Dia hosasan’ ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin’ ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin’ ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan’ ny andro ny mpisorona.
- Nom 19:8
Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- Nom 19:9
Dia hangonin’ izay lehilahy madio anankiray ny lavenon’ ilay vantotr’ ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ ny toby eo amin’ izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an’ ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.
- Nom 19:10
Ary ilay nanangona ny lavenon’ ny vantotr’ ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany.
- Nom 19:11
Izay mikasika fatin’ olona dia haloto hafitoana.
- Nom 19:12
Hanadio ny tenany amin’ izany rano izany izy amin’ ny andro fahatelo, ary amin’ ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin’ ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin’ ny andro fahafito.
- Nom 19:13
Izay rehetra mikasika fatin’ olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin’ i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany.
- Nom 19:14
Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin’ ny lay dia haloto hafitoana.
- Nom 19:15
Ary ny fanaka rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto.
- Nom 19:16
Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’ olona, na taolan’ olona, na fasana, dia haloto hafitoana.
- Nom 19:17
Dia hangalana ho an’ ny maloto ny lavenon’ ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin’ ny rano mandeha izany eo am-bilia.
- Nom 19:18
Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin’ ny rano, dia hafafiny amin’ ny lay mbamin’ ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin’ aretina, na ny fasana.
- Nom 19:19
Ary ny maloto dia hofafazan’ ilay olona madio amin’ ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin’ ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin’ ny rano, dia hadio rehefa hariva.
- Nom 19:20
Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin’ i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.
- Nom 19:21
Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
- Nom 19:22
Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Nomery: toko 36
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Nomery 19 dia iray amin'ny toko 36 ao amin'ny bokin'ny Nomery, boky faha-4 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.