Fandraisana · Ny boky 66 · Nomery

Testamenta Taloha · Ny Pentateoka · toko 36 amin'ny 36

Nomery 36

Nomery 36, Baiboly (1865): toko feno, andininy 13, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.

13andininy
36 / 36toko
Nom 36fanondroana
TTTestamenta Taloha

Nomery 36 — ny soratra feno

Baiboly (1865), andininy 13. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.

  1. Nom 36:1

    Dia nanatona ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Josefa, ka niteny teo anatrehan’ i Mosesy sy ny lehibe, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka nanao hoe:

  2. Nom 36:2

    Hianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hizara ny tany amin’ ny filokana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hanome ny zara-tanin’ i Zelofada rahalahinay ho an’ ny zananivavy.

  3. Nom 36:3

    Koa raha manambady ny zanakalahin’ ny firenena sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo, dia hesorina amin’ ny an’ ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin’ ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ ny zara-taninay izay azonay tamin’ ny filokana izany.

  4. Nom 36:4

    Ary raha tonga ny Jobilin’ ny Zanak’ Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an’ ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin’ ny zara-tanin’ ny razanay.

  5. Nom 36:5

    Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin’ ny firenena taranak’ i Josefa.

  6. Nom 36:6

    Izao no teny izay andidian’ i Jehovah ny amin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany no hovadiny.

  7. Nom 36:7

    Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely; fa samy ho eo amin’ ny zara-tanin’ ny razany avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely.

  8. Nom 36:8

    Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany, mba hananan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra ny zara-tanin’ ny razany avy.

  9. Nom 36:9

    Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin’ ny azy avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely.

  10. Nom 36:10

    Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny zanakavavin’ i Zelofada,

  11. Nom 36:11

    ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin’ i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin’ ny rainy avy.

  12. Nom 36:12

    Izay avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Manase, zanak’ i Josefa, no novadin’ ireo, ka dia nitoetra teo amin’ ny firenen’ ny mpianakavin’ ny rainy ihany ny zara-taniny.

  13. Nom 36:13

    Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’ i Jehovah ka nampitondrainy an’ i Mosesy ho amin’ ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.

Nomery: toko 36

Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.

Hanohy mamaky

Ny Nomery 36 dia iray amin'ny toko 36 ao amin'ny bokin'ny Nomery, boky faha-4 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.