Fandraisana · Ny boky 66 · Nomery
Testamenta Taloha · Ny Pentateoka · toko 30 amin'ny 36Nomery 30
Nomery 30, Baiboly (1865): toko feno, andininy 16, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Nomery 30 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 16. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Nom 30:1
Ary Mosesy niteny tamin’ ireo lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
- Nom 30:2
Raha misy lehilahy mivoady amin’ i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
- Nom 30:3
Ary raha misy vehivavy mivoady amin’ i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,
- Nom 30:4
ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.
- Nom 30:5
Fa raha nandrara azy rainy tamin’ ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.
- Nom 30:6
Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon’ ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,
- Nom 30:7
ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
- Nom 30:8
Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.
- Nom 30:9
Fa ny amin’ ny voadin’ ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny.
- Nom 30:10
Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon’ ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady,
- Nom 30:11
ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.
- Nom 30:12
Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin’ ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.
- Nom 30:13
Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.
- Nom 30:14
Fa raha tsy niteny azy akory tamin’ ny an-davan’ andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany.
- Nom 30:15
Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian’ ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy.
- Nom 30:16
Ireo no lalàna izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin’ ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
Nomery: toko 36
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Nomery 30 dia iray amin'ny toko 36 ao amin'ny bokin'ny Nomery, boky faha-4 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.