Fandraisana · Ny boky 66 · Nomery
Testamenta Taloha · Ny Pentateoka · toko 8 amin'ny 36Nomery 8
Nomery 8, Baiboly (1865): toko feno, andininy 26, tsy misy dokam-barotra, tsy mila misoratra anarana.
Nomery 8 — ny soratra feno
Baiboly (1865), andininy 26. Tsindrio ny isan'ny andininy raha te-ho eo amin'io andininy io mivantana ianao.
- Nom 8:1
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- Nom 8:2
Mitenena amin’ i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro izy.
- Nom 8:3
Dia nataon’ i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- Nom 8:4
Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin’ ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon’ i Jehovah an’ i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
- Nom 8:5
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- Nom 8:6
Alao ny Levita avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka diovy izy.
- Nom 8:7
Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
- Nom 8:8
Dia asaovy maka vantotr’ ombilahy iray izy mbamin’ ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr’ ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
- Nom 8:9
Ary ento ny Levita hankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
- Nom 8:10
Ary ento ny Levita hankeo anatrehan’ i Jehovah; ary ny Zanak’ Isiraely hametraka ny tànany aminy;
- Nom 8:11
ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan’ i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba hanao ny fanompoana an’ i Jehovah izy.
- Nom 8:12
Ary ny Levita hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an’ ny Levita.
- Nom 8:13
Ary apetraho eo anatrehan’ i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an’ i Jehovah izy.
- Nom 8:14
Ary ampiavaho amin’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
- Nom 8:15
Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
- Nom 8:16
fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely mihitsy izy; ho solon’ izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
- Nom 8:17
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
- Nom 8:18
Ary efa nalaiko ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely.
- Nom 8:19
Ary nomeko ho an’ i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, hanao ny fanompoan’ ny Zanak’ Isiraely ao amin’ ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masìna izy.
- Nom 8:20
Dia nataon’ i Mosesy sy Arona mbamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataon’ ny Zanak’ Isiraely taminy.
- Nom 8:21
Dia nodiovin’ ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
- Nom 8:22
Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan’ i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataony taminy.
- Nom 8:23
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- Nom 8:24
Ny amin’ ny Levita dia izao: Hatramin’ ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin’ ny antokony hanao ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana;
- Nom 8:25
fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin’ ny antokon’ ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;
- Nom 8:26
kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin’ ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin’ ny Levita ny amin’ ny anjara-raharahany.
Nomery: toko 36
Samy manana ny pejiny ny toko tsirairay, miaraka amin'ny soratra feno.
Hanohy mamaky
Ny Nomery 8 dia iray amin'ny toko 36 ao amin'ny bokin'ny Nomery, boky faha-4 amin'ny boky 66 ao amin'ny Baiboly (1865). Azonao vakina mifanarakaraka ny toko, na karohina ny teny ao amin'ny boky 66 rehetra.